plt_tn/job/41/07.md

949 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra :

Manohy ny fitenenany mafy an'i Joba amin'ny alalan'ny fametrahana fanontaniana i Yaveh.

Mahavita mandefona ny hodiny amin'ny fitaovam-pihazana ve ianao na ny lohany amin'ny lelam-pitana?

Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "fantatrao fa tsy afaka manindrona ny hodiny amin'ny fitaovam-pihazanao, na manindrona ny lohany amin'ny lelam-pitana ianao

ny fitaovam-pihazanao

Lefona lava misy tendro vy izay ampiasain'ny olona mba hihazana biby an-dranomasina lehibe

Indro

"mifantoha amin'ny zavatra manan-danja izay holazaiko"

moa ve tsy hisy olona hianjera amin'ny tany nohon'ny fahitana azy fotsiny ihany?

Io filazana zavatra amin'ny ankapobeny io dia azo adika ho fanambarana. Ny teny "amin'ny fahitana azy" dia ny antony hianjeran'ilay olona amin' ny tany; dia sarin-tenin'ny olona raiki-tahotra sy ny olona mianjera amin'ny tany. DH: "Izay mijery azy dia dia hatahotra ka hianjera amin'ny tany"