plt_tn/job/38/14.md

1.1 KiB

Niova tahaka ny fiovan'ny tanimanga ambanin'ny tombo-kase ny endriky ny tany

Amin'ny alina, ny olona dia tsy dia afaka mahita tsara, kanefa rehefa maraina dia mampiseho ny tena endriky ny zava-drehetra ny mazava, takaka ny tombo-kase maneho sary mazava tsara amin'ny tanimanga.

ny zava-drehetra eo aminy dia miavaka mazava tsara tahaka ny fivalonan'ny lamba

Eto, ny "aminy" dia manondro ny tany. Io andian-teny io dia mitovy dika amin'ilay andian--teny voalohany amin'ity andininy ity.

Avy amin'ireo olona ratsy fanahy no nanesorana ny 'hazavan'izy ireo

DH: "ny maraina no manala ny 'fahazavan'ny olona ratsy fanahy."

ny 'hazavan'izy ireo

Ny ratsy fanahyy dia mihevitra ny aizina ho fahazavan'izy ireo, satria manao ny asa ratsin'izy ireo ao anaty aizina izy ireo ary tsy vahiny amin'ny alina izy ireo.

ny sandry misandratr'izy ireo dia notapahana

Ny sandry mijoron'ny ratsy fanahy dia mampiseho ny herin'izy ireo sy ny fikasana hanao zava-dratsy, kanefa ny ratsy fanahy dia mitsahatra amin'ny fanaovana ireo zavatra ireo rehefa tonga ny fahazavan'ny maraina.