plt_tn/job/36/22.md

1017 B

Indro

Ny teny "indro" dia manampy ny fanamafisana izay manaraka. DH: "Eny tokoa"

misandratra amin'ny heriny Andriamanitra

Ireo mety ho heviny dia 1) "Tena mahery tokoa Andriamanitra" na 2) "Manandratra an'Andriamanitra ny olona satria Izy dia mahery"

iza no mpampianatra toa Azy?

Manontany io fanontaniana fampisainana io i Eliho mba hanamafisana fa tsy misy mpampianatra tahaka n'Andriamanitra. DH: "TRsy misy mpampianatra tahaka Azy." na "tsy misy mampianatra tahaka ny ataony."

Iza no efa nampianatra Azy ny amin'ny lalany?

Manontany io fanontaniana fampisainana io i Eliho mba hanamafisana fa tsy mbola nisy nampianatra an'Andriamanitra izay hataony. DH: "Tsy mbola nampianatra Azy izay tokony hataony;"

Iza no mba afaka hiteny Azy hoe: 'Efa nanao ny tsy marina Ianao?

Manontany io fanontaniana fampisainana io i Eliho mba hanamafisana fa tsy misy afaka manameloka an'Andriamanitra ny amin'ny efa nanaovana ny tsy marina. DH: "Tsy misy afaka miteny akory hoe: 'efa nanao ny tsy marina Ianao.'"