plt_tn/job/36/13.md

1.0 KiB

ireo izay mpaniratsira am-po

Eto, ny teny "fo" dia manondro ny eritreritra sy ny fihetsem-po. Ilay andian-teny dia mety hilaza fa mandà tsy hatoky an'Andriamanitra ankitsirano ilay olona. DH: "Izay mandà tsy hatoky an'Andriamanitra"

Mitahiry ny hatezerany

Eliho dia miresaka ny mbola fahatezeran'ny olona toy ny hoe mitahiry ny fahatezerany tahaka ny fitehirizana harena. DH: "dia tezitra lalandava"

na dia mamatotra azy ireo aza Andriamanitra

Eliho dia miresaka ny fanasazian'Andriamanitra ny olona toy ny hoe mamatotra azy ireo amin'ny tady. DH: "na dia manasazy azy ireo aza Andiamanitra"

tapitra eo amin'ireo mpijangajanga amin'ny fivavahana ny andron'izy ireo

Eto, ny "mpijangajanga amin'ny fivavahana" dia manondro ireo lehilahy tanora izay manompo tempolin'ny fanompoan-tsampy izy manatanteraka fihetsika ara-nofo tsy mendrika ho anjara fanompoan'izy ireo. Ireo mety ho heviny dia 1) Maty noho ny fitondran-tena tsy mendrika ireo mpaniratsira na 2) maty amin-kenatra sy fahafaham-baraka ireo mpaniratsira.