plt_tn/job/35/06.md

1.4 KiB

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Manohy ny fitenenany i Eliho.

Raha nanota ianao ... inona no ratsy nataonao Azy?

Ireo andalana roa ireo dia mitovy ny dikany. Ilay andalana faharoa dia manamafy ny hevitr'ilay voalohany

Raha nanota ianao ... inona no ratsy nataonao an'Andriamanitra?

Manontany io fanontaniana io i Eliho mba hanamafisana fa tsy afaka manao na inona na inona fahotan'i Joba amin'Andriamanitra raha ny marina. DH: "Raha efa nanota ianao, dia aza manao ratsy amin'Andriamanitra."

Raha miangona loatra ny fandikan-dalànao, dia inona no ataonao Aminy?

Eliho dia miresaka ny "fandikan-dalàna" toy ny hoe zavatra, ary ny fanaovana fandikan-dalàna maro toy ny hoe manangona ireo zavatra ireo mba hifanaingitaingina. Manontany io fanontaniana io izy mba hanamafisany fa tsy misy dikany amin'Andriamanitra ny fandikan-dalàn'i Joba. DH: "Raha manao fandikan-dalàna maro ianao, dia tsy misy dikany aminy izany."

Raha marina ianao, dia inona no afaka homenao Azy? Inona no ho raisiny avy amin'ny tananao?

Ireo fanontaniana fampisainana roa ireo amin'ny ankapobeny dia milaza zavtra mitovy: ny fahamarinan'i Joba dia tsy manampy na inona na inona an'Andriamanitra. DH: "raha marina ianao, tsy hahavitanao manome na inona na inona Azy izany, ary tsy misy zavatra ho azony avy amin'ny tananao."

raisiny avy amin'ny tananao

Eto, ny teny "tanana" dia mampiseho an'i Joba. DH: "raisiny avy aminao"

zanaky ny olona hafa

"olona hafa"