plt_tn/job/34/26.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Manohy ny fitenenany i Eliho.

Eo imason'ny hafa, vonoiny toy ny jiolahy izy ireo nohon'ny asa ratsy vitany

Io andian-teny io dia mampitaha ny fomba nahafatesan'ireo olona ireo tamin'ny nahafatesan'ny olon-dratsy. DH: "Izy dia mamono azy ireo nohon'ny asa ratsiny eo imason'ny hafa toy ny hoe olon-dratsy izy ireo"

vonoiny izy ireo

Io dia midika ny famonoan'Andriamanitra ireo olona ireo, na dia tsy mamely azy ireo amin'ny teniny aza izy. Mety ataony mahafaty na mitondra loza azy ireo ihany koa ny olona hafa. DH: "mamono azy ireo Izy"

Eo imason'ny hafa

Io dia fomba fiteny. DH: "eny amin'ny toerana izay hitan'ny rehetra"

ny lalany

Io dia manondro ny fampianaran'Andriamanitra ny tokony hitondran'ny olona tena.

nataon'izy ireo tonga teo aminy ny tomanin'ireo mahantra

Ny teny hoe "tomany" dia azo adika amin'ny matoanteny. Io dia miresaka ny fandrenesan'Andriamanitra ny tomanin'izy ireo toy ny hoe olona tonga any tany aminy. DH: "Nampitomany ireo olona mahantra izy ireo, ary rèn'Andriamanitra ireo"