plt_tn/job/33/06.md

992 B

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Manohy ny fitenenany amin'i Joba i Eliho.

Indro

Mampiasa io teny io Eliho eto mba hisarihany ny fihainoan'i Joba izay holazainy manaraka. DH: "henoy"

tahaka anao ihany aho eo imason'Andriamanitra

Ny "imaso" eto dia mampiseho fitsarana na tomban'ezaka. DH: "Tahaka anao eo amin'ny fitsaran'A ndriamanitra ihany aho" na "Mitsara anao tahaka ny fitsarany ahy Andriamanitra"

namboarina avy tamin'ny tanimanga ihany koa aho

Na dia tsy vita tamin'ny tanimanga aza ny olona, Andriamanitra dia nanao ny olona rehetra tahaka ny niangalian'ny mpanefy tanimanga ny zavatra vita tamin'ny tanimanga. DH: "Andriamanitra dia nanao antsika roa tahaka ny namolavolan'ny mpanefy tanimanga zavatra vita amin'ny tanimanga"

na havesatra anao ny tsindriko

Io dia midika fa tsy hisakana na hanavesatra an'i Joba izy. Miresaka ny vesatra ara-tsaina toy ny hoe vesatra ara-batana izy. DH: "na hampavesatra anao aho" na "tsy hanindry anao amin'izay lazaiko aho"