plt_tn/job/32/17.md

1023 B

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Manohy ny fitenenany amin'ny fampiasana fampitovina i Eliho.

hamaly amin'ny anjarako koa aho

"handray ny anjarako amin'ny famaliana aho ankehitriny"

manana teny maro aho

Milaza ny fananany teny maro ho lazaina ho feno teny i Eliho. DH: "manan-kabara tokoa aho"

fanahy izay ato anatiko no manery ahy

"manery ahy hilaza izany ny fanahiko" (UDB)

tahaka ny divay milona izay tsy misy hivoahany ny tratrako; tahaka ny siny hoditra vaovao, izay efa hitriatra

Rehafa milona ny divay dia misy entona miangona ao anatin'ny vata. Rehefa tsy misy hivoahana ilay entona dia mipoaka ilay vata. Ny tian'i Eliho ho lazaina dia manana teny maro holazaina izy ka raha tsy miteny izy dia mahatsapa toa hipoaka izy. Ary ireo teny roa ireo ihany koa dia mifanindran-dalana ary mitovy dika. DH: "tsaroako toa hipoaka ny tratrako, tahaka ny vata misy divay milona tsy misy ivohan'ny entona"

ny tratrako

Io dia mampiseho an'i Eliho, indrindra ny fanahiny. DH: "ny fanahiko" na "izaho"