plt_tn/job/24/13.md

1.0 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra :

Manohy ny fitenenany i Joba.

mikomy manohitra ny hazavana

Ireo mety ho heviny dia 1) hazavana hita maso na 2) hazavana ara-panahy, izay manondro an'Andriamanitra na ny fahavelomana marina. DH: "mankahala ny andro mazava" na "tsy te hanao zavatra ampahibemaso" na "mikomy manohitra an'Andriamanitra izy ireo"

sady tsy fantatr'izy ireo ny lalany, no mijanona amin'ny lalany izy ireo

Ireo andalana roa ireo dia milaza zavatra mitovy, ary ampiasaina miaraka mba hanamafisana fa tsy te hanaraka ny lalan'ny mazava izy ireo. DH: "tsy hain'izy ireo ny miaina ara-moraly; ialan'izy ireo lavitra ny fiainana ny fiaina-marina."

ny mahantra sy ny olona ory

Ny teny hoe "mahantra" sy ny "ory" dia manondro vondron'olona mitovy ary manamafy fa ireo dia olona tsy afaka manampy ny tenany.

toy ny mpangalatra izy

Ny mpamono olona an-tsokosoko dia tahaka ny mpangalatra mangalatra izay tsy misy olona mahita izay ataony. DH: "Mamono olona an-tsokosoko izy, tahaka ny mpangalatra mangalatra mangingina"