plt_tn/job/23/10.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra :

Manohy ny fitenenany i Joba.

mahalala ny lalana izay alehako Izy

Ny fihetsik'i Joba dia resahiny toy ny hoe lalana izay alehany. DH: "Mahalala izay ataoko Andriamanitra.

hivoaka tahaka ny volamena aho

Mino i Joba fa ny sedra dia hanaporofo fa madio tahaka ny volamena voafantina izy. DH: "Ho hitany fa madio tahaka nhy voalmena izay efa afa-doto aho"

Nifikitra tamin'ny diany ny tongotro

Eto; ny "tongotra" dia manondro an'i Joba. DH: "Nanaraka ny lalana izay efa nasehony ahy aho"

nifikitra tamin'ny lalany aho

Ny fankatoavan'i Joba dia resahiny toy ny hoe nandeha tamin'ny lalana izay natoron'Andriamanitra azy. DH: "Efa nanao izay nasainy nataoko aho"

tsy nivily

DH: "nanaraka izany tsara"

Tsy niala

DH: "nankatò izay nandidiany"

Tsy niala ...ny molony

Io andian-teny io dia manondro ny hafatra izay nolazain'Andriamanitra. DH: "izay nolazainy"

Noraketiko tao am-poko

Ny "foko" eto dia manondro ny ao anatin'i Joba. DH: "Efa noraketiko ao anatiko" na "tsaroako foana"

tenin'ny vavany

Io dia manondro ny tenin'Andriamanitra. DH: "izay nolazainy"