plt_tn/job/22/12.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra :

Manohy ny firesahany amin'i Joba i Elifaza.

Moa ve Andriamanitra tsy any amin'ny haavo'ny lanitra?

Mampiasa io fanontaniana io i Elifaza mba hilazana fa Andriamanitra dia mahita ny helok'i Joba ary hitsara azy. DH: "Andriamanitra dia any amin'ny haavon'ny lanitra ary mahita izay rehetra mitranga amin'ny tany."

Jereo ny haavon'ireo kintana, endrey ny hahavon'izy ireo!

Milaza an-kolaka i Elifaza fa Andriamanitra dia avo noho ny kintana. Azo adiaka mazava io. DH: "Jereo ny haavon'ny kintana. Mbola avo noho ireo Andriamanitra"

Inona no fantatr'Andriamanitra? Mety hitsara amin'ny alalan'ny aizim-pito ve Izy?

Mampiasa io fanontaniana io i Elifaza mba hilazany an-kolaka fa niteny ireo zavatra ireo tamim-panoherana an'Andriamanitra i Joba. DH: "Andriamanitra dia tsy mahalala izay mitranga eo ambon'ny tany. Mipetraka ao anaty raho-mainty Izy ka tsy afaka mitsara antsika."

mandeha eny amin'ny andohalambon'ny lanitra Izy

Ny "andohalambo" dia manondro ny sakana izay ninoan'ny olona taloha ho manasaraka ny tany sy ny lanitra. DH: "Any an-danitra lavitra any no misy azy ka tsy hahita izay mitranga eto Izy"