plt_tn/job/22/04.md

585 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra :

Manohy ny firesahany amin'i Joba i Elifaza.

Moa ve ny fanehoanao fanajana Azy no hamaizany anao sy hitondrany anao amin'ny fitsaràna? Moa ve tsy lehibe ny faharatsianao? Tsy misy fiafarana ve ireo helokao?

Mampiasa io fanontaniana io i Elifaza mba hanesoana an'i Joba sy hanamelohany azy ny amin'ny fanaovana fahotana mahafaty. DH: "Tsy noho ianao efa voatokana ho azy mihitsy no hitenenany mafy anao sy hitondrany anao eo amin'ny fitsarana! Tsia, araka ny efa fantatrao, mitsara anao Izy satria lehibe helokao ary tsy mitsaha-manota ianao!"