plt_tn/job/22/01.md

818 B

Elifaza ilay Temanita

Adikao tahaka ny ao amin'ny 2:11 io anaran-dehilahy io.

Mety ilain'Andriamanitra ve ny olona? Mety ilainy ve ny lehilahy hendry?

Mampiasa io fanontaniana io i Elifaza fa ny fihetsika na ny fahendre'ny olona iray dia tsy misy tombony ho an'Andriamanitra. DH: "Tsy misy hilàn'Andriamankitra ny olona. Tsy misy hilàny ny lehilahy hendry."

Moa ve fahafinaretana ho an'ilay Tsitoha raha marina ianao? Moa ve tombony ho Azy raha mandeha manao ny lalanao ho tsy misy tsiny ianao?

Ireo fanambarana ireo dia midika zavatra mitovy. Mampiasa fanonataniana i Elifaza mba hanamafisana fa ny fihetsik'i Joba dia tsy manampy an'Andriamanitra. DH: "Tsy mahazo fahafinaretana amin'ny fahamariananao Andriamanitra. Tsy mahazo na inona na inona amin'ny fanaovanao ny lalanao ho tsy misy tsiny ianao."