plt_tn/job/21/31.md

1.5 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra :

Manohy ny firesahany amin'ireo namany i Joba.

Iza no hanameloka ny fomban'ny ratsy fanahy eo anatrehany?

Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanoherany ny finoan'ireo namany fa ny olona ratsy fanahy dia tsy maintsy tsaraina hatrany. DH: "Tsy misy manameloka ny olona ratsy fanahy eo anatrehany."

eo anatrehany

Midika io fa tsy misy olona handeha mavy hatrany any amin'ny olona ratsy fanahy ka hanameloka azy araka ny tenany.

Iza no hanefa azy amin'ny zavatra vitany?

Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanoherany ny finoan'ireo namany fa ny olona ratsy fanahy dia tsy maintsy tsaraina hatrany. DH: "Tsy misy olona hanefa ny zava-dratsy izay efa nataony."

mbola ho lanjaina izy

DH: "hitondra azy ny olona"

Ho mamy aminy ny baingan-dohasaha

Mihevitra i Joba fa ny olona maty dia mbola hankafy ny fotaka izay hatototra eo aminy. Izany dia midika fa ny olona ratsy fanahy dia mbola hanana fahafatesana tsara sy fandevenana mahafinaritra aorian'ny fahavitana ny fiaianana. Ny "bainga" dia manondro ny tany izay mandrakotra ny fasana. DH: "Ho tiany ny horakofana fotaka avy amin'ny lohasaha" na "ho tiany ny halevina ao amin'ny fotaky ny lohasaha"

hanaraka azy avy ao aorina ny olona rehetra, tahaka ny nandehanan'ireo olona maro tsy voatanisa teo alohany

Manamafy i Joba fa vahoaka maro no hanatrika ny fandevenana ity sarintsarin'olona ratsy fanahy ity. DH: "Vahoaka maro isa no ho any amin'ny toerana misy ny fasana; sy sasany eny alohan'ny filarahana ary ny sasany any aoriana"