plt_tn/job/19/28.md

1.3 KiB
Raw Permalink Blame History

Fampahafantarana aminny Ankapobeny:

Manohy ny firesahany amin'ireo namany telo i Joba.

Ahoana no hanenjehantsika azy!

Io dia filazana fihetsem-po. Ireo mety ho heviny dia 1) hanenjika an'i Joba tokoa izy ireo na 2) hanenjika azy foana izy ireo.

Ny fototr'ireo fahoriany dia ao aminy

Ny "fototra" dia mampiseho loharano. DH : "izy no loharanon'ny olany" na "manana ireo olana rehetra ireo izy nohon'ny zavatra vitany"

ary matahora ny sabatra

Ireo mety ho hevitra izay asehon'ny sabatra dia 1) mitsara azy ireo Andriamanitra. DH: "ary matahora fa hitsara anareo Andriamanitra" na 2) mamono azy ireo Andriamanitra. DH: "ary matahora fa hamono anareo Andriamanitra"

satria ny fahatezerana dia hahatonga famaizana amin'ny sabatra

Eto, ny "mahatonga" dia sarin-tenin'ny "valiny" na "vokany." Ny anarana "fahatezerana" sy ny "famaizana" dia azo aseho amin'ny mpamaritra "tezitra" sy matoantoanteny "manafay." Ireo mety ho heviny dia 1) Miteraka famaizana ny fahatezeran'Andriamanitra. DH: "Satria ho tezitra aminareo Andrianmanitra ary dia hanafay anareo" na 2) ny fahatezeran'ny naman'i Joba dia miteraka famaizana. DH: "raha tena tezitra amiko ianareo, dia hanasazy anareo Andriamanitra"

misy ny fitsaràna

Ny anarana "fitsarana" dia azo adika amin'ny matoanteny "mitsara". DH: "Andriamaniytra dia mitsara ny olona"