plt_tn/job/19/10.md

1.9 KiB
Raw Permalink Blame History

Fampahafantarana aminny Ankapobeny:

Manohy ny firesahany amin'ireo namany telo i Joba.

Efa namotika ahy tamin'ny zorony rehetra Izy

Joba dia mitresaka ny famotehan'Andriamanitra azy ho toy ny hoe nisy trano izay nopotipotehin'Andriamanitra. DH: "efa namotika ahy tamin'ny fomba rehetra izy" na "nanafika ahy tamin'ny fomba rehetra izy"

dia lasa aho

ny "fahalasanana" dia mampiseho fahapotehana tanteraka. DH: "ary potika tanteraka aho"

nongotany tahaka ny hazo ny fanantenako

Ny fanaovan'Andriamanitra azy ho tsy manana fanantenana dia resahin'i Joba toy ny hoe hazo ary nongotan'Andriamanitra niaraka amin'ny fakany avy ao anaty tany ny hazo iray, raha tokony ho tapahina. DH: "efa nanaisotra ny fanantenako rehetra izy" na "nohon'ny nataony no tsy hanantenako zavatra tsara intsony"

Nampirehetiny tamiko ihany koa ny fahatezerany

Resahin'i Joba toy ny hoe afo ny fahatezeran'Adriamanitra. DH: "Nandrehitra afo hanohitra ahy ihany koa Andriamanitra" na "lasa tezitra amiko ihanhy koa Andriamanitra"

raisiny tahaka ny iray amin'ireo fahavalony aho

"heveriny ho toy ny fahavalo aho"

Miara-tonga ireo tafiny

Joba dia miresaka ny fanafihan'Andriamanitra azy toy ny hoe tanàna izy ka nandefa tafika hanafika izany Andriamanitra. DH: "mandefa ireo tafiny mba hanafika ahy Andriamanitra"

manangana dongon-tany hanafihana ahy izy ireo

Joba dia miresaka ny fanafihan'Andriamanitra azy toy ny hoe tanàna izy ary ny tafik'Andriamanitra dia nanangana dongon-tany hanohitra ny rindrin'ny tanàna mba hianihan'izy ireo ny rindrina ka hanafika ny tanàna. DH: "nanao dongon-tany mba hianihany ny rindrina ireo miaramila"

ka mitoby manodidina ny laiko

Joba dia miresaka ny fanafihan'Andriamanitra azy toy ny hoe ao an-dainy izy ary ny tafik'Andriamanitra dia nitoby manodidina azy sy miomana ny hanafika azy. DH: "mitoby manodidina ny laiko izy ireo ary miomana ny hanafika ahy"