plt_tn/job/18/16.md

1021 B

Famaphafantarana amin'ny Ankapobeny:

Manohy ny fanoritsoritany ny olona ratsy fanahy i Bildada.

Ho maina avy any ambany ny fakany ...hanapahana ireo sampany

Io dia miresaka ny olona ratsy fanahy maty sy tsy manana taranaka toy ny hoe hazo izay maina faka sy malazo rantsana ary tsy mamoa. DH: "Ho faty izy ary tsy hamela taranaka, ho tahaka ny hazo izay maina ny fakany ary malazo avoko ny rantsany rehetra"

hanapahana ireo sampany

DH: "Halazo ny rantsany"

Ho foana eto an-tany ny fahatsiarovana azy; tsy hanana anarana eny an-dalana izy

Ireo andian-teny ireo dia manana hevitra mitovy ary ampiasaina miaraka mba hanamafisana ny tsy hahatsiarovan'iza n'iza azy aorian'ny fahafatesany.

Ho foana eto an-tany ny fahatsiarovana azy

Io dia miresaka ny "fahatsiarovana" ny olona ratsy fanahy toy ny hoe olona maty: "Tsy hisy na iza na iza eto an-tany ka hahatsiaro azy"

tsy hanana anarana eny an-dalana izy

Io dia fomba fiteny. DH: "Tsy hisy amin'ireo mpandeha eny an-dalana akory hahatsiaro ny anarany"