plt_tn/job/18/12.md

1.0 KiB

Famaphafantarana amin'ny Ankapobeny:

Manohy ny fanoritsoritany ny olona ratsy fanahy i Bildada.

Hivadika hanoanana ny hareny

Io dia miresaka ny olona ratsy fanahy lasa mahantra sy mosarena toy ny hoe lasa zavatra hafa ny fanany. DH: "Ho tonga mahantra sy mosarena izy raha tokony ho mpanan-karena"

ho vonona eo anilany ny loza

Ny andian-teny "vonona anilany" dia fomba fiteny izay midika fa misy zavatra mandrakariva eo. DH: "Ary hiaina loza mandrakariva izye" na "ary hahatandrina ny loza izy"

Ny ratsam-batany dia ho voarapaka

Io dia miresaka ny famotehan'ny aretina ny vatany toy ny hoe nisy biby izay nanafika sy nihinana azy. DH: "Hihinana ny hodiny ny aretina" na "handrava ny hodiny ny aretina"

ny voalohan-teraky ny fahafatesana dia handrapaka ny rantsany

Eto, ny aretina izay mamono olona maro dia tondroina toy ny hoe "voalohan-teraky ny fahafatesana." Io dia miresaka ny aretina mamotika azy toy ny hoe nisy biby izay nanafika sy nihinana azy. DH: "Areti-mahafaty no hamotika ny karazan-drantsam-batany"