plt_tn/job/18/07.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Manohy ny famariparitany ny olona ratsy fanahy i Bildada.

Hafohezina ny dingan'ny heriny

Io dia miresaka ny olona ratsy fanahy misedra loza tampoka toy ny hoe tsy manana hery enti-mandeha intsony izy. DH: "Ho toy ny hoe tsy manana hery enti-mandeha intsony izy"

ny fikasany ihany no handrava azy

"ny heviny ihany no hamingana azy." Io dia miresaka ny olona ratsy fanahy miaritra loza toy ny hoe mianjera. DH: "ny fikasany ihany no hitondra azy ho any amin'ny loza"

Fa hifatratra anaty harato amin'ny alalan'ny tongony ihany izy; ary hilatsaka anaty velam-pandrika iray izy

"Ny tongony ihany no hitondra azy ho ao anaty harato" Mampiasa io sarin-teny io i Bildada mba hilazana fa ny lalana hiainan'ny olona ratsy fanahy ny fiainany dia hitondra azy ho any amin'ny loza tsy ampoizina. DH: "Ho toy ny ny mitondra ny tenany ho ao anaty harato, no hizorany mahitsy mankany amin'ny vela-pandrika"

harato

Kofehy na tady izay tenonin'ny olona mba hahazoana harato. Ampiasain'ny olona mba hisamborana biby ny harato.

vela-pandrika

lavaka izay saromana rantsan-kazo sy ravin-kazo eo amboniny ka handeha eo ambon'ireo rantsana sy ravina ny biby iray ka dia ho latsaka ao anatin'ilay lavaka