plt_tn/job/15/10.md

968 B

Samy miaraka aminay ireo fotsy volo sy ireo lehilahy voky taona

fotsy volo sy voky taona - Miresaka azy i Elifaza ary ireo olona hafa manana fahendrena amin'ny taom-pahanterana izay nianaran'izy ireo dia resahina toy ny hoe miaraka amin'izy ireo. DH: "efa nahazo fahendrena avy tamin'ny fotsy volo sy ny voky taona isika"

fotsy volo sy ireo lehilahy voky taona

Ny andian-teny "fotsy volo" dia famariparitana ara-batana ny "olona efa tena antitra." DH: "Ny olona efa tena antitra izay fotsy volo."

antitra mihoatra noho ny rainao

Io dia fanitarana. DH: "antitra noho ny rainao"

Moa kely loatra ho anao ny fampiononan'Andriamanitra...malefaka aminao?

Io fanontaniana fampisainana io dia fiampangana, miaraka amin'ny valin-teny miafina "eny." Io fanontaniana io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "Mihevitra tokoa ianao fa kely loatra aminao ny fampiononan'Andriamanitra, ireo teny malefaka atao aminao"

fampiononana

"fampaherezana" na "fangorahana"