plt_tn/job/14/10.md

1.1 KiB

ary aiza izy avy eo?

Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisana fa rehefa maty ny olona iray, dia tsy eo izy. DH: "ary tsy misy mahalala izay misy azy" na "ary lasa izy"

Toy ny fanjavonan'ny rano amin'ny farihy...ary tsy mifoha intsony

Ny fahafatesana izay tsy azo sakanana dia ampitahaina amin'ny rano izay ritra sy tsy afaka miverina.

Toy ny fanjavonan'ny rano...ka maina

Ireo andian-teny roa ireo dia manoritsoritra eritreritra mitovy sy miveimberina mba hanamafisana fa ny fahafatesana no fiafarana.

toy izany koa no handrian'ny olona

Ny fandriana dia maneho fahafatesana. DH: "toy izany ny olona maty"

tsy mifoha intsony

Ny fifohazana indray dia mampiseho fahavelomana indray. DH: "ary tsy velona intsony"

dia tsy hifoha na hitsangana amin'ny torimasony izy ireo

Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary ampiasaina miaraka mba hanamafisana fa ny fahafatesana no fiafarana. Ny fatoriana dia mampiseho fahafatesana ary ny fifohazana dia mampiseho fahavelomana indray. DH: "ny olona maty dia tsy ho velona intsony na hifoha amin'ny fahafatesana"