plt_tn/job/14/01.md

1.4 KiB
Raw Permalink Blame History

Fampahafantarana aminny Ankapobeny :

Ity toko ity dia manohy ny tenin'i Joba izay nanomboka tao amin'ny 12:1. miteny amin'Andriamanitra i Joba.

Ny olona, izay natera-behivavy

Io dia manondro ny olona rehetra, na ny lehilahy na ny vehivavy; izay rehetra teraka teto amin'izay tontolo izao.

miaina andro vitsy monja

Io dia fanitarana mba hanamafisana fa ny olona ny miaina fotoana fohy monja. DH: "miaina fotoana fohy monja"

feno fahoriana

Ny "feno fahoriana" dia mampiseho ny fiainana olana maro. DH: "manana olana maro" na "mijaly mafy"

Mitsimoka amin'ny tany toy ny voninkazo izy ary voakapa

Tahaka ny fiainan'ny voninkazo, ny fiainan'ny olona iray dia fohy ary mora maty.

mandositra toy ny aloka izy ary tsy maharitra

Ny hafohin'ny fiainan'ny olona iray dia ampitahaina amin'ny aloka izay mora manjavona.

Mba mijery an'ireny ve Ianao?

Ny tian'i Joba lazaina dia ny tsy filany an'Andriamanitra mba mba hiaino tsara Azy. DH: "tsy mijery an'ireo Ianao" na "tsy mihaino tsara ireo Ianao. Aza dia henoina loatra re aho"

mijery

Eto, ny fijerevana olona dia mampiseho ny fihainiana azy mba hitsarana azy. DH: "mihaino" na "mitady ny hadisoana"

Moa entinao ho tsaraina miaraka aminao aho?

Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanehoany ny fahagagany fa mitsara azy Andriamanitra na dia tsy miy fotony tahaka ny voninkazo aza izy. DH: "Kanefa dia mitsara ahy Ianao"