plt_tn/job/13/26.md

44 lines
2.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Blame History

This file contains ambiguous Unicode characters

This file contains Unicode characters that might be confused with other characters. If you think that this is intentional, you can safely ignore this warning. Use the Escape button to reveal them.

# Fampahafantarana aminny Ankapobeny :
Manohy ny firesahana amin'Andriamanitra i Joba.
# Fa manoratra zava-mangidy hanohitra ahy Ianao
Ny "zava-mangidy" dia mampiseho fanamelohana. DH: "manoratra fanamelohana hanohitra ahy ianao"
# hampandovànao ahy ny heloky ny fahatanorako
Ny fampandovàna ny heloky ny fahatanorana dia sarin-teny. Ireo mety ho heviny dia mampiseho 1) ny fahamelohana ny amin'ny heloky ny fahatanorana. DH: "milaza Ianao fa meloka noho ny heloky ny fahatanorako aho" na 2) ny fanasaziana noho ny heloky ny fahatanorana. DH: "manasazy ahy noho ny heloky ny fahatanorako Ianao"
# ny heloky ny fahatanorako
Ny anarana "fahatanorana" dia azo adika amin'ny teny hoe "tanora." DH: "ny heloka vitako fony izaho tanora"
# Ataonao ao anaty gadra vy ihany koa ny tongotro
Ny fanaovana an'io dia mampiseho ny fanasaziana an'i Joba sy ny fitazomana azy tsy hiaina an-kalalahana toy ny hoe efa nanao heloka bevava sy efa voafonja i Joba.
# gadra vy
Ireo mety ho heviny dia 1) rafitra izay mitazona ny tongotry ny voafonja ho eo amin'ny toerany ka tsy hahafahany mihetsika mihitsy, na 2) rojo manodidina ny tongotry ny voafonja izay manasarotra ny fandehanany. Ireo dia ampiasaina ho toy ny fanasaziana.
# jerenao tsara ny lalako rehetra
Ny lalana dia mampiseho ny zavatra ataon'i Joba. DH: "izay zavatra ataoko rehetra"
# dinihanao ihany koa ny tany izay nohitsahan'ny faladian-tongotro
Ny faladian-tongotra dia mampiseho ny lala-nodiavin'ny olona iray. DH: "dinihinao ny tany izay efa nodiaviko"
# dinihanao ihany koa ny tany izay nohitsahan'ny faladian-tongotro
Ny fandinihana izany tany izany dia mampiseho ny fandinihana izay rehetra nataon'i Joba. DH: "izany dia toy ny hoe mandinika ny tany izay nodiaviko" na "mandinika ny zava-rehatra ataoko tahaka ny olona iray mandinika ny dian-tongotr'olona amin'ny tany Ianao"
# tahaka ny zavatra lo izay mihalevona
Mampitaha ny tenany amin'ny zavatra lo i Joba. Miha maty tsy moramora izy.
# tahaka ny akanjo lanin'ny kalalao
Mampitaha ny tenany amin'ny lamba izay feno loadoaka satria efa lanin'ny kalalao ny ampahan'izany.