plt_tn/job/12/16.md

28 lines
1.5 KiB
Markdown

# Ao aminy ny hery sy fahendrena
Ny anarana "hery" sy ny "fahendrena" dia azo adika amin'ny teny hoe "matanjaka" sy "hendry". DH: "Andriamanitra dia matanjaka sy hendry"
# ny vahoaka izay voafitaka sy ny mpamitaka dia samy eo amin'ny fahefany
Ny eo amin'ny fahefan'Andriamanitra dia maneho ny fandidian'Andriamanitra eo amin'izy ireo. DH: "ny olona izay mino lainga sy ny olona mamitaka ny hafa dia samy eo amin'ny fahefany" na "Andriamanitra dia mandidy eo amin'ireo izay mino lainga sy ny olona mamitaka ny hafa"
# Manala voninahitra ny mpanolo-tsaina amin'ny alahelo Izy
ny fanalana voninahitra ny mpanolo-tsaina dia mampiseho ny fanesorana ny fahendren'izy ireony ny fahefany.
# amin'ny alahelo
Ny anarana "alahelo" dia azo aseho amin'ny teny hoe "mampalahelo" na "ory" DH: "ary tena malahelo izy ireo" na "ory izy ireo"
# mampody ireo mpitsara ho adala Izy
"nataony lasa adala ny mpitsara"
# Esoriny amin'ireo mpanjaka ny rojom-pahefana
Ireo mety ho heviny dia 1) io dia sarin-tenin'ny fanafohizana ny fahefan'ny mpanjaka. DH: "Nanaisotra ny fahefan'ny mpanjaka Izy" na 2) io dia sarin-tenin'ny fanahahana ny olona amin'ny rojo izay napetraky ny mpanajaka teo amin'izy ireo. DH: "Nanaisotra ny fatotra izay napetraky ny mpanjaka tamin'ny olona Izy"
# nampisikina lamba ny valahany izy ireo
Io lamba io dia mety ho ny zavatra tafian'ny andevo. Ny fampiakanjoana ireo lamba ireo ny mpanjaka dia mampiseho ny fanaovana ny mpanjaka ho andevo. DH: "mampitafy ny mpanjaka amin'ny akanjon'andevo Izy" na "nanao azy ireo ho andevo Izy"