plt_tn/job/12/13.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Ny andinoiny faha 13 dia mialza fa Andriamanitra dia hendry sy tsitoha. Ny ambin'ity toko ity dia mampiseho fa io dia marina araka ny fitenenana mahakasika ny zavatra hendry sy mahery izay ataon'Andriamanitra.

Manana fahendrena sy hery Andriamanitra

Ny anaran'ny "fahendrena" sy ny "hery" dia azo adika ho mpamaritra "hendry" sy "mahery"

tsy afaka hamboarina indray izany

"tsy misy afaka mamerina manangana izany"

aha managradra olona iray Izy, dia tsy hisy fanafahana

Ny anarana "fanafahana" dia azo adika amin'ny matoanteny "manafaka." DH: "Raha manidy olona Andriamanitra, dia tsy misy afaka manafaka azy"

raha mihazona ireo rano Izy, ho ritra ireo

Ireo mety ho hevitry ny fihazonana rano dia 1) manakana ny orana tsy hilatsaka. DH: "raha manakana ny orana tsy hilatsaka izy, dia maina ny tany" na 2) manakana ny rano tsy hikoriana. DH: "Raha manakana ny rano tsy hikoriana izy, dia maina ny tany"

raha mandefa izany any ivelany izy, dia manafotra ny tany ireo

Ireo mety ho hevitry ny sarin-tenin'ny fandefasana azy ireo 1)Mahatonga ny orana hilatsaka. DH: "raha mandatsaka orambe izy, dia hanafotra ny tany izany" na 2) mahatonga ny rano hikoriana. DH: "raha mampikoriana ny ranobe izy, dia hanafotra ny tany izany"