plt_tn/job/12/11.md

1.0 KiB

Tsy ny sofina ve no mamantatra ny teny toy ny lanilany manandrana ny tsiron'ny sakafo?

Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisana fa mihaino izay lazain'ny hafa azy ny olona ary mitsara izany na tsara na tsia. Ny sofina sy ny lanilany dia sarin-tenin'ny mihaino sy manandrana (tsiro). DH: "Rèntsika izay tenenin'ny olona ary andramantsika tahaka ny fanandramana sakafo izany"

Ao amin'ny anti-dahy no misy ny fahendrena

"Ny anti-dahy no manana fahendrena." Ny anarana "fahendrena" dia azo aseho amin'ny hoe "hendry." Ny teny "lehilahy" dia manondro ny olona amin'ny ankapobeny. DH: "Ny olona antitra dia hendry"

ao amin'ny fahalavan'ny andro ny fahazavan-tsaina

Ny andian-teny "fahalavan'ny andro" dia sarin-tenin'ny fahaelana velona. Fahazavan-tsaina ao amin'ny fahalavan'ny andro dia mampiseho ny fahazavan-tsain'ny olona rehefa ela velona. Nhy anarana "fahazavan-tsaina" dia azo adika amin'ny andian-teny hoe "mahatakatra lalina." DH: "Mahazo fahazavan-tsaina ny olona rehefa ela ny iaiana" na "Ny olona ela velona dia mahatakatra lalina"