plt_tn/job/11/01.md

1.1 KiB

Zofara ilay Namatita

Adikao tahaka nhy ao amin'ny 2:11 io anaran-dehilahy io. "Zofara avy any amin'ny faritanin'i Nama" (UDB)

Tsy tokony ho valiana ve ny teny betsaka tahaka izany?

Manontany fanontaniana amin'ny endrika mandà i Zofara mba hanamafisana fa tsy maintsy valiana ny tenin'i Joba. DH: "tsy maintsy valiantsika izany teny izany!" na "misy hamaly izany teny rehetra izany"

Tokony hinoana ve, ity lehilahy, be resaka ity?

Mampiasa io fanonaniana io i Zofara mba hanamafisana fa tsy tokony hino izay lazain'i Joba izy ireo. DH: "Be resaka ity lehilahy ity, kanefa tsy tokony hino azy ny olona" na "Ny teny maronao dia tsy midika fa tsy mana-tsiny ianao."

Tokony hampangina ireo hafa ve ny fireharehanao?

Mampiasa io fanontaniana io i Zofara mba hitenenana mafy an'i Joba. DH: "Satria ianao niteny maro, tsy midika izany fa tsy maintsy mangina ny hafa."

Raha manevateva ny fampianaranay ianao, tsy hisy olona hampahamenatra anao ve?

Mampiasa io fanontaniana io i Zofara mba hitenenana mafy an'i Joba. DH: "efa nanevateva ny fampianaranay ianao. Hampamenatra anao izahay ankehitriny!"