plt_tn/job/06/04.md

1.6 KiB
Raw Permalink Blame History

Fampahafantarana aminny Ankapobeny :

Manohy mampiasa fampitoviana isaky ny andininy ny mpanoratra, mampita hevitra iray aminny fanambarana roa samihafa mba hanamafisana ny fahoriana mafin' i Joba ho toy fototry ny fitarainany.

Fa ny zana-tsipìkan'ny Tsitoha dia ato amiko

Io dia fanoharana ho ny fahorian'i Joba. Mampitaha ireo lozany amin'ny zana-tsipìka izay manindrona ny vatany.

misotro ny poizina ny fanahiko

Mitohy ny fampitahana. Niditra tamin'i Joba tamin'ny fony ny fahoriana. DH: "tena tsapako ao amin'ny foko ny fanaintainana."

ireo fampihorohoroan' Andriamanitra dia milahatra hanohitra ahy

DH: "ireo zava-mahatsiravina rehetra mitranga dia avy hanohitra ahy ao anatin'ny indray mandeha."

Maneno fatratra ve ny ampondra-dia raha manana ahitra? Na ny omby hitrena nohon'ny hanoanana raha manam-bilona?

Mametraka ireo fanontaniana ireo i Joba mba hanamafisana fa manana ny rariny amin'ny fitarainana izy. DH: "Tokony hitaraina ve aho raha toa ka rariny avoko ny zavatra rehetra?" na "tsy tokony hitaraina tsy amin'antony aho."

maneno

feo avoakan'ny amondra

mitrena

feo avokan'ny omby

vilona

sakafom-biby

Ary izay tsy misy tsiro ve azo hohanina raha tsy misy sira? Na misy tsirony ve ny tapotsin'atody?

Na ny sakafo na ny zava-mitranga amin'ny fiainan'i Joba dia manaintaina. Mampitaha ny fiainany amin'ny sakafo tsy misy tsirony na hanitra i Joba. "Tsy misy tsirony ny fiainako; tahaka ny tapotsin'atody tsy misy tsirony izany."

izay tsy misy tsiro ve azo hohanina raha tsy misy sira

"tsy afaka hihinana sakafo ratsy tsiro tsy misy sira ny olona iray."