plt_tn/job/05/11.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Manohy mampiasa fampitoviana isaky ny andininy ny mpanoratra, mampita hevitra iray amin'ny fomba roa samihafa mba hanamafisana ny fanohanan'Andriamanitra ireo manetry tena sy fanetrena ireo fetsifetsy.

Manao izany Izy mba hametrahana amin'ny avo ireo izay iva

Ny olona manetry tena ao anaty fahoriana dia resahana toy ny hoe ambany. Raha manavotra azy ireo andriamanitra, dia mahazo voninahitra izy ireo. Rehefa mitranga izany dia resahina toy ny hoe nasandratra sy napetraka amin'ny toeran avo izy ireo. DH: "Manao izany ny Tompo mba hanavotana sy hanomezana voninahitra ireo manetry tena izay avy nijaly"

Nandrava ny fikasana izy

Ny fampitsaharana ny fikasan'ireo olona fetsifetsy dia resahina toy ny hoe misy zavatra azo ravana avy mivantana.

Mamandrika ny olona hendry amin'ny asa an-kafetsen'izy ireo Izy

Ny fampahoriana ny olon-kendry amin'ireo asa ratsiny dia resahina toy ny hoe misambotra azy ireo amin'ny fandrika. Ny asan'ny tenan'izy ireo dia resahina toy ny hoe ny fandrika mahazo azy ireo.

ny olona ratsy fanahy

Ny fetsy an-karatsiana eto dia resahina toy ny hoe ratsy fanahy. DH: "ireo izay fetsy" na "ireo izay maniasia" na "ireo izay malina"