forked from WA-Catalog/plt_tn
40 lines
1.9 KiB
Markdown
40 lines
1.9 KiB
Markdown
# Nahoana ny fahazavana no omena azy izay ao anatin'ny fahoriana? Nahoana ny fiainana no omena an'izay mangidy fanahy
|
|
|
|
Ireo fanontanian'i Joba roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Manontany izy hoe nahoana ireo izay misedra zava-tsarotra no mbola velona.
|
|
|
|
# Nahoana ny fahazavana no omena azy izay ao anatin'ny fahoriana?
|
|
|
|
Eto i Joba dia manontany tena ny amin'ny antony ahaveloman'ny olona nefa mijaly. DH: "Tsy takatro ny antony hanomezan' Andriamanitra fiainana ho an'ny olona mijaly"
|
|
|
|
# fahazavana
|
|
|
|
Ny fahazavan eto dia mampiseho fiainana
|
|
|
|
# Nahoana ny fiainana no omena an'izay mangidy fanahy...ny harena miafina?
|
|
|
|
"Nahoana manome aina ho an'ireo olona ory Andriamanitra?" DH: "Tsy takatro ny antony mbola hanomezan'Andriamanitra aina ireo olona izay tena ory...ny harena miafina"
|
|
|
|
# ho an'ny iray izay miandry fatratra ny fahafatesana izay tsy ho avy
|
|
|
|
Ny fahafatesana eto dia resahana toy ny zavatra iray izay avy manantona olona. DH: " ho an'ny olona izay tsy te ho velona intsony, kanefa mbola velona"
|
|
|
|
# ho an'ny iray izay mihady fahafatesana mihoatra noho ny harena miafina?
|
|
|
|
Olona mantantena ny ho faty dia resahan toy ny hoe mihady harena milevina any ambany tany. DH: "ho an'ny olona izay maniry ny ho faty kokoa noho ny hihadiany harena miafina."
|
|
|
|
# Nahoana ny fahazavana no omena ho an'ny iray izay feno hafaliana ary ravoravo rehefa hitany ny fasana?
|
|
|
|
Mampiasa fanontaniana i Joba eto mna hanaovana fanambarana. DH: "Tsy azoko ny antony mbola hamelan' Andriamanitra ny olona ho velona raha toa ka mahafaly fatratra azy ny hilevina ao ambany tany"
|
|
|
|
# ho an'ny iray izay feno hafaliana sy haravoana
|
|
|
|
Ny andian-teny hoe "feno hafaliana" dia mitovy dika amin'ny hoe "ravo" amin'ny ankapobeny. Samy mampisongadina haravoana ireo andian-teny roa ireo. DH: "ilay iray izay tena faly"
|
|
|
|
# rehefa hitany ny fasana
|
|
|
|
Io dia fomba mihaja enti-milaza fahafatesana. DH: "rehefa maty sy azo alevina izy"
|
|
|
|
# ny fasana
|
|
|
|
Ny fasana eto dia mampiseho fahafatesana.
|