plt_tn/jhn/19/40.md

773 B

Ary teo amin'ny toerana nanomboana Azy dia nisy saha; ary teo amin'ilay saha nisy fasana vaovao izay mbola tsy nandevenan'olona

Eto Jaona dia mametraka fihatoana eo amin'ny fizotry ny tantara fototra mba hanomezana fanazavana momban'ny toerana misy ilay fasana izay tokony handevenana an'i Jesosy.

Ary teo amin'ny toerana nanomboana Azy dia nisy saha

DH: "Ary teo amin'ilay toerana nanomboana an'i Jesosy nisy saha."

izay mbola tsy nandevenan'olona

DH: "izay tsy mbola nandevenan'olona na iza na iza mihintsy"

Satria andron'ny fiomanan'ireo Jiosy tamin'izany

Raha ny lalàn'i Jiosy, dia tsy misy olona afaka miasa aorian'ny filentehan'ny masoandro rehefa zoma. Izany ny fiandohan'ny Sabata sy Paska. DH: "Ny Paska dia efa hanomboka tamin'izany hariva izany"