plt_tn/jhn/19/12.md

1.4 KiB

Tamin'izany valin-teny izany

Eto ny hoe "valin-teny" dia maneho ny valin-tenin'i Jesosy. DH: "Pilato rehefa nahare ny valin-tenin'i Jesosy"

niezaka ny hanafaka Azy Pilato

Ny hoe "niezaka" amin'ny Soratra taloha dia milaza fa Pilato dia niezaka "mafy" na "namerimberina" ny hanafaka an'i Jesosy DH: "Izy dia niezaka mafy ny hanafaka an'i Jesosy" na "Izy dia niezaka foana foana ny hanafaka an'i Jesosy"

fa nihiaka mafy ireo Jiosy

Eto ny hoe "ireo Jiosy" dia entina hanehoana ireo mpitarika Jiosy izay manohitra an'i Jesosy. DH: "fa ireo mpitarika Jiosy dia tsy nijanona nihiaka mafy"

tsy naman'i Kaisara ianao

"Ianao dia manohitra an'i Kaisara" na "Ianao dia manohitra ny Amperora"

manao ny tenany ho mpanjaka

"milaza ny tenany fa Izy no mpanjaka"

nentiny nivoaka Jesosy

Pilato eto no lazaina fa namoaka an'i Jesosy tamin'ny alalan'ireo miaramila izay nobaikony. DH: "Izy dia nandidy ireo miaramila mba hitondra an'i Jesosy hivoaka."

nipetraka

Ny olona manan-danja tahaka an'i Pilato dia mipetraka rehefa hanao adidy lehibe izy ireo, raha mitsangana ny olona izay tsy manan-danja.

teo amin'ny seza fitsarana

Ity dia seza voatokana ho an'ny olona manan-danja tahaka an'i Pilato rehefa hanao fitsarana lehibe izy ireo.

izay antsoina hoe "lampivato"

Ity dia toerana misy vato miavaka izay ny olona manan-kaja ihany no afaka mandeha eo. DH: "eo amin'ny toerana antsoin'ny olona hoe lampivato"

Hebreo

Ity dia maneho ny fitenin'ny vahoakan'Israely.