plt_tn/jhn/14/23.md

1.0 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Jesosy mamaly an'i Jodasy(tsy Iskariota).

Raha misy olona tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy

"Izay tia Ahy dia hanao izay noteneniko hataony"

tia

Ity karazana fitiavana ity dia avy amin'Andriamanitra ary mifantoka amin'izay mahatsara ny hafa, na dia tsy mahazo tombony aza ianao. Izany karazana fitiavana izany dia mitsinjo ny hafa, na inona na inona nataony.

Ny Raiko

Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra.

ary ho avy aminy Izahay ary hanamboatra ny fitoeranay miaraka aminy

Ny Ray sy ny Zanaka dia hizara fiainana amin'ireo izay mankatoa ireo didin'i Jesosy. DH: "ho avy Izahay mba hiara-monina aminy, dia hanana fifandraisana manokana aminy"

Ny teny izay renareo dia tsy avy amiko fa avy amin'ny Ray izay naniraka Ahy

"Ireo zavatra noteneniko taminareo dia tsy zavatra notapahako samirery"

Ny teny

Eto ny hoe "ny teny" dia maneho ny hafatra izay nentin'i Jesosy avy amin'Andriamanitra. DH: "Ny hafatra"

izay renareo

Eto dia miresaka amin'ireo mpianany rehetra Jesosy.