plt_tn/jhn/14/08.md

821 B

Tompo, asehoy anay ny Ray

Ny hoe "Ray" dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra.

Efa hatry ny ela no niarahako taminareo dia mbola tsy fantatrareo foana ve Aho, ry Filipo?

Ity fanamarihana ity dia miseho amin'ny endrika fanontaniana mba hanasongadinana ireo tenin'i Jesosy. DH: "Filipo, efa hatry ny ela Aho no niaraka taminareo mpianatra. Tokony hahafantatra Ahy ianao ankehitriny!"

Na iza na iza nahita Ahy dia nahita ny Ray

Ny mahita an'i Jesosy, izay zanak'Andriamanitra, dia mahita an'Andriamanitra Ray. Ny "Ray" dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra.

ahoana no hitenenanao hoe: 'Asehoy anay ny Ray'?

Ity fanamarihana ity dia miseho amin'ny endrika fanontaniana mba hanasongadinana ireo tenin'i Jesosy tamin'i Filipo. DH: "Ka tsy tokony hiteny mihintsy ianao hoe: 'Asehoy anay ny Ray'?