plt_tn/jhn/13/03.md

912 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Ny andininy faha-3 dia manome antsika fampahafantarana fototra momban'izay fantatr'i Jesosy. Ny tranga ao amin'ny tantara dia manomboka ao amin'ny andininy faha-4.

Ray

Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra.

napetrakin'ny Ray teo am-pelatanany

Eto ny "am-pelatanany" dia sari-teny maneho ny hery sy ny fahefana. DH: "nanome Azy ny hery sy ny fahefana amin'ny zavatra rehetra."

Izy dia avy amin'Andriamanitra ary hiverina any amin'Andriamanitra

Jesosy dia niaraka tamin'ny Ray foana, ary dia hiverina any rehefa vita ny asany ety an-tany.

Nitsangana Izy teo am-pisakafoana ary nanala ny akanjony ivelany. Avy eo Izy naka lamba ary nisalotra izany. Avy eo nandraraka rano tao anaty siny Izy dia nanomboka nanasa ny tongotr'ireo mpianatra

Satria feno vovoka ny tanàna, dia fomban'ny mpampiantrano ny manome mpanompo mba hanasa ny tongon'ireo vahiny.