plt_tn/jhn/13/01.md

875 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mbola tsy tonga ny Paska dia efa niaraka nisakafo tamin'ireo mpianany Jesosy. Ireto andininy ireto dia manazava ny fizotry ny tantara sy manome fampahafantarana fototra momban'i Jesosy sy Jodasy.

Ray

Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra.

nitia

Ity dia ilay karazana fitiavana izay avy amin'Andriamanitra ary mifantoka amin'izay mahatsara ny hafa, na dia tsy mahazo tombony aza ianao. Ity karazana fitiavana ity dia mitsinjo ny hafa, na inona na inona nataony.

ny devoly dia efa nametraka izao tao an-tsain'i Jodasy Iskariota zanak'i Simona, dia ny hamadihana an'i Jesosy

Ny fehezanteny hoe "nametraka izao tao an-tsainy" dia midika hoe mahatonga ny olona hieritreritra zavatra iray. DH: "Ny devoly dia efa nahatonga an'i Jodasy Iskariota, ilay zanak'i Simona, hieritreritra ny momban'ny hamadihana an'i Jesoy"