plt_tn/jhn/12/34.md

1.5 KiB

Ny Zanak'Olona dia tsy maintsy hasandratra

Ny teny hoe "hasandratra" dia midika hoe homboana. DH: "Ny Zanak'Olona dia tsy maintsy hasandratra eo amin'ny hazofijaliana!"

Iza izany Zanak' Olona izany?

Mety ho dikany: 1) "Inona no momban'ity Zanak'Olona ity?" na 2) "Zanak'Olona toy ny inona no tianao tenenina?"

Ny hazavana dia mbola hiaraka aminareo mandritry ny fotoana fohy. Mandehana dieny mbola manana hazavana, mba tsy hafahan'ny haizaina mialoha anareo. Izay mandeha amin'ny haizina dia tsy mahalala ny lalana alehany

Eto ny "fahazavana" dia sari-teny ho an'ireo fampianaran'i Jesosy izay manambara ny fahamarinan'Andriamanitra. Ny "mandeha amin'ny haizina" dia midika hoe miaina tsy miaraka amin'ny fahamarinan'Andriamanitra. DH: "Ny teniko dia tahaka ny fahazavana ho anareo, mba hanampy anareo hahatakatra ny fomba fomba fiaina tian'ny Tompo ataonareo. Izaho dia tsy hijanona ela hiaraka aminareo intsony. Mila manaraka izay lazaiko ianareo raha izao mbola miaraka aminareo izao Aho. Raha mandà ny teniko ianareo, dia tahaka ny mandeha ao anaty haizina ary tsy mahita hoe mandeha mankaiza ianareo"

Raha mbola manana ny hazavana ianareo, dia minoa izany mba ho zanakin'ny hazavana ianareo

Ny "fahazavana" dia sari-teny hilazana ny fampianaran'i Jesosy izay manambara ny fahamarinan'Andriamanitra. Ny "zanakin'ny hazavana" dia sari-teny ho an'ireo izay manaiky ny hafatr'i Jesosy sy miaina araky ny fahamarinan'Andriamanitra. DH: "Raha mbola miaraka aminareo Aho, dia ekeo ireo teniko mba hitoetra ao aminareo ny fahamarinan' Andriamanitra."