plt_tn/jhn/10/19.md

619 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Ireto andininy ireto dia milaza ny fomba namalian'ireo Jiosy ny zavatra nolazain'i Jesosy.

Nahoana ianareo no mihaino Azy?

Ity fanamarihana ity dia miendrika fanontaniana mba hanamafisana ny hoe tsy tokony hihaino an'i Jesosy ny olona. DH: "Aza mihaino Azy!"

Moa ny demonia afaka mampahiratra ny mason'ny jamba?

Ity fanamarihana ity dia miseho amin'ny endrika fanontaniana mba hanamafisana ny hevitra. DH: "Mazava ho azy fa ny demonia dia tsy afaka ny mampahiratra ny mason'ny jamba!" na "Mazava ho azy fa ny demonia dia tsy afaka mamerina ny fahitana ho an'ny olona jamba!"