plt_tn/jhn/10/17.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Tapitra ny resak'i Jesosy tamin'ireo vahoaka.

Izao no antony hitiavan'ny Ray Ahy: mahafoy manolotra ny aiko Aho

Ny fikasana mandrakizay an'Andriamanitra dia ny hanome ny ain'Andriamanitra Zanaka mba hanefana ny otan'ny olombelona. Ny fahafatesan'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana dia maneho ny haben'ny fitiavan'ny Zanaka ho an'ny Ray ary ny an'ny Ray ho an'ny Zanaka.

Ray

Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra.

hitiavan'ny

Ity karazana fitiavana ity dia avy amin' Andriamanitra ary mifantoka amin'izay mahatsara ny hafa, na dia tsy mahazo tombony aza ianao. Ity karazana fitiavana ity dia mitsinjo ny hafa, na inona inona nataony.

mahafoy manolotra ny aiko Aho mba handraisako izany indray

Ity dia fomba hitenan'i Jesosy hoe ho faty Izy ary ho velona indray. DH: "Avelako ho faty ny tenako mba hananganako ny tenako amin'ny maty"

ny tenako ihany no manolotra izany

Manamafy eto Jesosy fa Izy irery ihany no manolotra ny tenany fa tsy hoe olona no naka ny ainy taminy. DH: "Izaho mihintsy no manolotra izany"

Izany didy izany dia azoko avy tamin'ny Raiko

"Izany no nandidian'ny Raiko ho ataoko." Ny teny hoe "Ray" dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra.