plt_tn/jhn/10/07.md

20 lines
1001 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Jesosy dia manomboka manazava ny dikan'ny fanoharana notantarainy.
# marina, dia marina tokoa
Adikao tahaka izay nataonao tao amin'ny 1:49 ity.
# Izaho no vavahadin'ondry
Eto ny "vavahady" dia sari-teny midika hoe Jesosy no manome ny fidirana ao amin'ny vala izay fakan'ain'ny olon'Andriamanitra amin'ny fanatrehany. DH: "Izaho dia tahaka ny vavahady izay fampiasan'ny ondry mba hidirana ao am-bala."
# Izay rehetra tonga talohako dia mpangalatra sy mpandroba
Ity dia maneho ireo mpampianatra hafa izay nampianatra ny olona, ao anatin'izany ireo Fariseo sy ireo mpitarika Jiosy hafa. DH: "Ireo mpampianatra rehetra izay tonga tsy niaraka tamin'ny fahefako"
# mpangalatra sy mpandroba
Ireo teny ireo dia sari-teny. Jesosy miantso ireo mpampianatra hoe "mpangalatra sy mpandroba" satria diso ny fampianaran'izy ireo, ary niezaka niezaka ny nitarika ireo olon'Andriamanitra raha tsy mahatakatra ny marinana. Noho izany, dia namitaka ireo vahoaka izy ireo.