plt_tn/jhn/09/16.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ao amin'ny andininy faha-18 dia misy fihatoana amin'ny fizotry ny tantara ka manome fampahafantarana fototra Jaona mahakasika ny tsy finoan'ireo Jiosy.

tsy mba manaja ny andro Sabata

Ity dia midika fa Jesosy dia tsy mankatoa ny lalàna momban'ny tsy fiasana amin'ny andro fitsaharan'ireo Jiosy.

Ahoana no afahan'ny olona mpanota manao famantarana lehibe tahaka izao?

Ity fanamarihana ity dia miseho amin'ny endrika fanontaniana mba hanamafisana fa ny famantaran'i Jesosy dia manaporofo fa tsy mpanota Izy. DH: "Ny mpanota dia tsy afaka manao fahagagana tahaka izao!"

famantarana

Ity dia teny hafa ho an'ny fahagagana. Ny "famantarana" dia manome porofo fa Andriamanitra no ilay iray mahery indrindra izay manana fahefana tanteraka amin'izao tontolo rehetra izao.

Mpaminany Izy

"Mieritreritra aho fa mpaminany Izy"

Ary mbola tsy nino ny momba azy ihany ireo Jiosy

Eto ny tenyhoe "Jiosy" dia entina milaza hoe "ireo mpitarika Jiosy" izay manohitra an'i Jesosy. DH: "Ary mbola tsy nino foana ireo mpitarika Jiosy"