plt_tn/jhn/09/01.md

802 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ity ny fizarana manaraka amin'ny tantara. Raha iny nandeha iny Jesosy sy ireo mpianany, dia nahita lehilahy Jamba.

raha nandalo Jesosy

Eto ny hoe "Jesosy" dia milaza an'i Jesosy sy ireo mpianatra. DH: "Ary raha nandalo Jesosy sy ireo mpianany"

iza re no nanota, ity lehilahy ity sa ireo ray aman-dreniny, no dia teraka jamba tahaka izao izy?

Ity fanontaniana ity dia maneho ny finoana Jiosy fahiny fa ny ota no miteraka ny aretina rehetra sy ny fahasembanana hafa. Ireo raby ihany koa dia nampianatra fa ny zaza dia mety manota na dia mbola ao an-kibo aza. DH: "Ry Mpampianatra, fantatsika fa ny ota no mahatonga ny olona ho jamba. Otan'iza no nahatonga ity lehilahy ity ho teraka jamba? Ity lehilahy ity ve no nanota, sa ireo ray aman-dreniny no nanota?