plt_tn/jhn/08/57.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Ity ny faran'ny fizarana amin'ny tantara momban'ny nireshan'i Jesosy tamin'ireo Jiosy tao an-tempoly, izay nanomboka tao amin'ny 8:12.

Hoy ireo Jiosy taminy hoe

Eto ny "Jiosy" dia midika hoe "mpitarika Jiosy" izay manohitra an'i Jesosy. DH: "Hoy ireo mpitarika Jiosy taminy"

Mbola tsy misy dimampolo taona akory Ianao, ka dia ho efa nahita an'i Abrahama ve?

Ireo mpitarika Jiosy dia mampiasa ity fanontaniana ity mba hilazana ny fahatairan'izy ireo fa Jesosy dia manambara ho efa nahita an'i Abrahama. DH: "Ianao dia mbola latsaky ny dimampolo taona. Tsy tokony nahita an'i Abrahama Ianao!"

marina, dia marina tokoa

Adikao tahaka izay nataonao tao amin'ny 1:49 ity.

talohan'ny nahaterahan'i Abrahama, dia Izaho no Izy

Tahaka an'Andriamanitra Zanaka, Jesosy dia mahafantatra an'Andriamanitra Ray tsy tahaka ny olona rehetra. Mety ho dikany: 1) Jesosy dia milaza ny tenany ho Yaveh amin'ny fitenena hoe: "Izaho no Andriamanitra" na 2) Jesosy dia niteny hoe: "talohan'ny nisian'Abrahama, dia efa nisy Aho."

Avy eo dia naka vato hatoraka Azy izy ireo

Ireo mpitarika Jiosy dia tezitra tamin'izay nolazain'i Jesosy. Eto izany dia milaza fa te-hamono Azy izy ireo nohon'ny fanaovany ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra. DH: "Avy eo dia naka vato izy ireo mba hamonoana Azy satria manambara ho mitovy amin'Andriamanitra Izy"