plt_tn/jhn/08/12.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ity ny fizarana manaraka amin'ny tantara. Jesosy dia miresaka amin'ny vahoaka izay akaikin'ny harena tao an-tempoly.

Izaho no fahazavan'izao tontolo izao

Eto ny "fahazavana" dia sari-teny hilazana ny fanambarana izay avy amin'Andriamanitra. DH: "Izaho ilay iray izay manome fahazavana an'izao tontolo izao"

izao tontolo izao

DH: "Ny olona eto ambonin'ny tany"

izay manaraka Ahy

Fomba fiteny ity izay midika hoe "Ny olona rehetra izay manao izay ampianariko" na "ny olona rehetra izay mankatoa Ahy"

tsy handeha amin'ny haizina

Ny "handeha amin'ny haizina" dia sari-teny hilazana hoe miaina amin'ny fiainana feno ota. DH: "tsy hiaina toy ny hoe ao anatin'ny haizin'ny ota izy"

fahazavan'ny fiainana

Ny "fahazavan'ny fiainana" dia sari-teny ho an'ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra izay manome ny fiainana ara-panahy. DH: "fahamarinana izay mitondra ny fiainana mandrakizay"

Ianao dia manambara ny tenanao

"Ianao dia milaza fotsiny ireo zavatra ireo momban'ny tenanao"

tsy marina ny fanambaranao

Ireo Fariseo dia milaza fa ny fijoroan'ny olona iray vavolombelona fotsiny dia tsy marina satria tsy azo porofoina. DH: "Ianao dia tsy afaka ny hijoro vavolombelona amin'ny tenanao" na "Izay lazainao mahakasika ny tenanao dia mety tsy ho marina"