plt_tn/jhn/02/03.md

584 B

Ravehivavy

Ity dia maneho an'i Maria. Raha tsy fanajana ho an'ny zanaka lahy ny miantso ny reniny hoe "Ravehivavy" amin'ny fomba fiteninao, dia mampiasaha teny hafa, na avelao amin'izao.

Nahoana ianao no mankaty amiko?

Ity fanontaniana ity dia napetraka mba ho fanamafisana. DH: "Tsy misy idirako izany" na "Tsy tokony hiteny amiko izay tokony atao ianao"

Mbola tsy tonga ny fotoako

Ny teny hoe "fotoana" dia ho entina hilazana ny fotoana mety ho an'i Jesosy hampisehoana fa Izy ilay Mesia amin'ny fanaovana fahagagana. DH: "Tsy mbola fotoana hanaovako asa mahagaga izao."