plt_tn/jer/48/15.md

653 B

ireo tovolahiny tsara indrindra dia efa nampidinina any amin'ny toeran'ny famonoana

DH: "ny tovolahin'izy ireo tsara indrindra dia ho vonoina."

Hitranga tsy ho ela ny faharavan'i Moaba; ho avy faingana tsy ho ela ny loza

Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary samy manamafy fa ho avy tsy ho ela ny faharavan'i Moaba. DH: "Ho ravain'ireo fahavalony tsy ho ela i Moaba."

Loza, fa simba, ny tehana mahery, sy ny tsorakazo manam-boninahitra

Eto ny "tehana" sy tsorakazo" dia manondro ny fahefana sy fanohanana ara-politika izay nentin'i Moaba teo amin'ireo firenen-kafa. DH: "Ireo fahavalon'i Moaba dia efa nandavo ny heriny lehibe."