plt_tn/jer/46/07.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy mitantara ny fanambaran'i Yaveh tamin'ny firenen'i Egypta i Jeremia.

Iza ity miakatra tahaka an'i Neily ity

DH: "niakatra tahaka an'i Neily i Egypta." Nametraka io fanontaniana io Yaveh mba hisarihana ny sain'ny mpihaino amin'ny firenen'i Egypta.

Miakatra tahaka an'i Neily i Egypta

Ny tafik'i Egypta dia nampitahaina tamin'ny faharavana naterakin'ny reniranon'i Neily.

Hoy i Egypta hoe

Eto ny firenen"i Egypta dia miresaka tahaka ny olona.

Hiakatra aho ary hanarona ny tany. Hanimba ireo tanàna sy ireo mponiny aho

Ny "aho" dia manondro ny firenen'i Egypta izay manambara tsy misy ambahamba fa ireo tafiny dia hamotika ny tany tahaka ny tondra-drano.

Miakàra, ry soavaly. Aoka ho tezitra, ianareo ry kalesy

Nandidy ireo soavaly sy kalesy toy ny olona Yaveh. Na ny "soavaly" na ny "kalesy" dia samy manondro ny fitambaran'ny ireo kalesy any an'ady. Ireo fehezanteny ireo dia mandidy ilay mpitondra kalesy hiroso amin'ny ady.

Kosy ... Pota ... Loda

Ireo dia anarana ara-Baiboly ho an'ireo firenena Etiopiana, Lybia, sy Lydia.

fanenjanana ny tsipìkan'izy ireo

Ny dikann'io fehezanteny io dia hoe mampiasa ilay tsipìka amin'ny fisintomana ny tadiny miaraka amin'ny zana-tsipìka.