plt_tn/jer/33/19.md

944 B

Tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh

Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.

ny fanekena mahatokiko andro aman'alina ... ny fanekena mahatokiko tamin'i Davida mpanompoko

Yaveh dia mampitaha ny fanekeny amin'i Davida tamin'ny andro sy ny alina. Satria ny olona dia tsy afaka manova ny andro sy alina, dia tsy afaka ny hanova ny faneken'Andriamanitra amin'i Davida koa ny olona.

hipetraka eo amin'ny seza fiandrianany

"hintondra ny fanjakana omena azy"

Toy ireo miaramilan'ny lanitra tsy tambo isaina, sy fasika any amoron-dranomasina tsy azo refesina, no hampitomboakao ny taranak'i Davida mpanompoko ary ireo Levita izay nanompo teo anoloako

Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary nampiarahana mba ho fanamafisana. DH: "Toy ny tsy fahafahan'ny olona manisa ireo kintana eny an-danitra sy ny fasika eny an-dranomasina, dia tsy hisy afaka hanisa ny isan'ny taranak'i Davida sy Levy izay nanompo an'i Yaveh"