plt_tn/jer/09/04.md

40 lines
1.2 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Manohy miresaka amin'i Jeremia mahakasika ny vahoakan'i Joda Yaveh.
# Ianareo tsirairay avy
Ny teny "ianareo" dia manondro ny vahoakan'i Joda.
# mitandrema amin'ny namanareo ary aza mahatoky ireo rahalahy
"aza matoky ny namanareo Israelita, na ny rahalahy mpirai-tampo aminareo aza"
# ny namana rehetra dia mandeha amin'ny fanedrikendrehana
Ny filazana lainga mahakasika ny olona tsirairay avy dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny fanedrikendrehana.
# Ny olona tsirairay dia maniratsira ny namany ary tsy milaza ny marina
"mifaneso avy ny olona rehetra, ary tsy milaza ny marina"
# Ny lelan'izy ireo dia mampianatra zavatra fitaka
DH: "Mampianatra zavatra tsy marina izy ireo."
# Reraka amin'ny fanaovan-dratsy izy ireo
"Reraka tamin'ny fanotana be loatra izy ireo"
# Ny fonenany dia eo afovoan'ny fitaka
Miresaka amin'i Jeremia Yaveh. Ny fiarahana mipetraka eo amin'ireo mpandainga dia resahina toy ny hoe miaina eo anoloan'ny fitaka.
# amin'ny famitahany dia mandà ny hanaiky Ahy izy
"tamin ny filazana ireo lainga ireo, ny vahoakan'i Joda dia nandà ny hankato Ahy ho Andriamanitra."
# izany no fanambaran'Yaveh
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.