forked from WA-Catalog/plt_tn
36 lines
2.0 KiB
Markdown
36 lines
2.0 KiB
Markdown
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
|
|
|
|
Aorian'ny fiarahabana fanokafana, i Jakoba dia milaza amin'ireo mpino fa ny anton'ny olana dia hitsapana ny finoana.
|
|
|
|
# Jakoba, mpanompon'Andriamanitra sy Tompo Jesosy Kristy
|
|
|
|
DH: "Izaho, Jakoba, dia mpanompon'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo''
|
|
|
|
# Jakoba
|
|
|
|
Jakoba dia rahalahy tsy iray rà amin'i Jesosy.
|
|
|
|
# ho an'ireo foko roa ambin'ny folo niparitaka
|
|
|
|
Io fomba fiteny io dia mety manondro ny kristiana Jiosy monina ivelan'Israely , na, ireo Kristiana rehetra monina eto amin'izao tontolo izao.
|
|
|
|
# foko roa ambin'ny folo
|
|
|
|
Ny fomba fiteny hoe "foko roa ambin'ny folo" dia ilazana ny vahoakan'Israely raha ny tokony ho izy, satria nizara ho foko roa ambin'ny folo izy ireo. Eto amin'ity andalana ity, na izany aza, ny "foko roa ambin'ny folo" dia manondro ireo kristiana Jiosy na, ireo kristiana manerana izao tontolo izao. Eto ny "foko roa ambin'ny folo" dia ampiasaina ho fiantsoana, ary ny isa "roa ambin'ny folo" dia tokony atao soratra, fa tsy tarehimarika.
|
|
|
|
# niparitaka
|
|
|
|
Ny teny hoe "niparitaka" raha ny tokony ho izy dia ilazana ireo Jiosy niparitaka tany amin'ny firenen-kafa, lavitr'Israely izay tany niavian'izy ireo. Eto amin'ity andalana ity, anefa, ny hoe "niparitaka" dia ilazana ireo kristiana Jiosy rehetra ivelan'Israely, na, ireo kristiana rehetra manerana izao tontolo izao.
|
|
|
|
# arahaba
|
|
|
|
fomba fiarahabana, toy ny hoe "manao ahoana" na "salama"
|
|
|
|
# Raiso ho fifaliana avokoa izany, ry rahalahy, rehefa misedra olana samihafa ianareo
|
|
|
|
"Ry namako mpino, hevero ho zavatra ho ankalazaina ireo karazana olana mahazo anareo"
|
|
|
|
# ny fitsapana ny finoanareo dia mahantonga faharetana
|
|
|
|
Ny teny hoe "fitsapana," "ny finoanareo," ary ny "faharetana" dia anarana ilazana ny asa. Andriamanitra no manao ny fitsapana, izany hoe, hitany hoe toy ny ahoana ny fahatokiana sy fankatoavan'ireo mpino Azy. Ireo mpino dia mino Azy ary miaritra fahoriana. DH: "rehefa miaritra zava-tsarotra ianareo, dia hitan'Andriamanitra ny fahatokianareo Azy. Vokatr'izany, dia hanjary ho afaka ny hiaritra na zava-tsrotra mihoatra noho izany aza ianareo"
|